blagy

blaondy

blagy | 15 Martsa, 2006 22:54

Araka ny fantasika dia maro ny tsy tia ireny blonde ireny any am-pita any.Ary ny teny ahalalana ny blonde dia noho izy ireny malaza ho vendrambendrana na bado.Dia ity aza misy tantara iray manamarina izany:

     Tanaty fiaramanidina iray ny tantara no nitranga:

              Nisy blonde iray hono tanaty fiaramanidina iray Vol Paris New York.Tany amin'ny 1er Classe hono rasipanefa ny billet novidiany dia 2e classe.Nahatsikaritra izany ary ity steward ka dia nilaza hoe :ramatoa kely,tsy eto no teorana tokony hisy anao satria 2e classe ny billet anananao.Tsy taitra anefa hono ity farany namaly hoe:Blonde aho,tsara tarehy ary handeha any New york.Dia tsy hitan'ity steward ary izay atao ka dia niantso olona hafa izy.Avy indray ary ity hotesse iray nihevitra fa satria moa samy vehivavy dia mety hifankahazo:kanefa dia valiny mora sy tsotra ihany koa ny azony:"Blonde aho,tsara tarehy ary handeha any New york".Dia avy ihany koa ity ny commandant de bord nefa inona fa dia ny valiny tsy miova no azony!

    dia nitantara ny zava-nisy tamin'ity co-pilote ary ny commandant de bord.Ka dia nitsangana ity farany sady nilaza hoe aoka hanaovako azy fa ny vadiko koa mba blonde.

   Gaga hono ny rehetra fa nibitsibitsika mora teo tamin'ity sipa ralehilahy ka dia nitsangana mora rasipa sady nanaiky tsy nihambahamba.Ka rehefa niverina tao amin'ny cockpit izy dia nilaza tsotra hoe:Hitanareo fa mora ange ny miresaka amin'ireny blonde ireny fa ianao manasaro-dravatra:Hoy aho taminy.

     -Diso toerana ianao ravehivavy satria ity premier classe ity anie ka tsy mandeha any New York e!Ny 2e Classe no mankany.:)))

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb