blagy

ramose

blagy | 15 Martsa, 2006 22:54

indro misy blagy tany am-pianarana tany am-pita tany.

Asa ianareo raha efa sendra ireny mampianatra tia miteniteny foana manoloana ny mpampianatra ireny fa dia ny tenako aloha dia efa sendra.Izany hoe ny bandy aloha na ny marina kokoa ny lehilahy dia faly ery sendra azy ireny fa samy bandy moa fa ny sipa no miferin'aina.

    Dia tany am-pita tany hono,nisy mpampianatra iray tia miteniteny foana ireny.Leo anefa hono ny sipa satria dia tena mihoatra ny fefy mihitsy ingahy rainy indraindray ka dia tapa-kevitra ary ny sipa rehetra fa dia hivoaka ny efitrano fianarana raha vao manomboka miteniteny foana i ramose.

   Kanefa moa tahaka ny efa mahazatra na ny fantatry ny rehetra dia misy foana mpianatra tia misolelaka ary sipa matetika no mpanao izany.Dia nisolelaka tany amin-dramose ny iray tamin'ireo sipa ka nilaza mialoha fa hivoaka daholo ny sipa rehetra raha vao manomboka ramose.

   Ny ampitso aza dia efa niandry ny rehetra.Dia namorona blagy ary ramose.Ka hoy izy:Moa fantatrareo moa fa any paris any hono dia tsy ampy mihitsy ny makorelina ka dia asa na ahoana ny vahaolana hitanareo ry vehivavy isany?

   Dia Te hivoaka hono ny sipa ka nitsangana daholo fa romotra, nefa hoainina be satria raha vao hivoaka dia holazain'i ramose hoe:makorelina;

   Dia hoy hono i ramose:Aza maika ianao rasipa o! tsy misy fiaramanidina miainga any anie androany raha tsy rahariva e! :)))

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb