blagy

ireny blonde ireny

blagy | 16 Martsa, 2006 00:05

Nisy hono nlonde iray fa ireny moa no tena betsaka any ampita any !Niantso an'ingahy raymond tany am-piasana !antso maika be hono fa tena mila valiny maika.

  -ALLÔ raymond allo raymond!sao mba afaka mandalo aty an-trano maika be ianao fa tena misy puzzle ataoko ato an-trano ato nefa tena tsy misy mitovy mihitsy ireo pièce amin'ilay puzzle.

-Fa sarina inona no tokony ho foroninao amin'ilay puzzle aloha?

-Sarina akoholahy mena iray izay.

-Dia tonga hono raymond fa anisan'ny blonde ankafiziny moa i gloria :))

Tao an-dakozia anefa

-Andriamanitra Ô,Fa inona no ataonao amin'ity Corne Flakes miparitaka manerana ny trano ity?

Azonao ve ilay blagy?

fanazavana:

Ny cornes flakes dia karazana dia sakafo marainan'ny ankizy any ampita any .Vita avy amin'ny blé izy io raha tsy diso aho.Ka noheverin'ilay sipa fa kilalao puzzle ilay izy izany hoe atambatra ireo pièce tsirairay mba hahazoana ilay sarin'ankoholahy sary hahafantarana ny boaty corne flakes kanefa tsy inona fa petit deuj ilay izy .ha ha ha

tahaka ny hoe mividy caca pigeon ianao ka raha mahita sarina fromage eo amin'ilay sachet caca pigeon dia avy hanambatra ny caca pigeon tsirairay mba hahazoana sarina fromage. hahaha

resaka firaisana

blagy | 16 Martsa, 2006 00:05

Nisy mpivady iray hono tany an-tany lavitra tany.mihamahantra hono  izy ireo ka nahatsikaritra rangahy fa diso mandany vola loatra izy ireo:Ka hoy hono izy tamim-badiny:

   -O Ramatoa ô Mba mianara ianao mipasoka fa tena tsy laitra intsony ity manakarama mpipasoka ity e!

 -Dia namaly miadana hono ramatoa nanao hoe:

   -Ô rangahy o!mba mianara koa ianao manao firaisana fa tena tsy laitra intsony ity manakarama an'ingahy mpanao zaridaina ity e!

sipa kondrana

blagy | 15 Martsa, 2006 23:53

Nisy sipa iray hono nanatona ireny garagiste ireny nanontany hoe mba tiako hamidy ity fiarako ity fa tena tsisy vola aho nefa ny olana kely dia noho izy ity efa tena ela no nampiasaka ka ny compteur efa 250 000 Km ka inona no tokony hataoko?
  

-Tsotra izany hoy ilay garagiste mila mikitikitika kely ilay compteur ianao ka ataovy 35000km ohatra.

Taty aorina hon nifanehatra indra izy reo ka nanontany ilay garagiste hoe lafonao ihany ve ilay fiara?Dia namaly tsy mora rasipa nanao hoe:

-Fa ianao ve rangahy ity adala an!Izao izy tsisy afatsy 35.000 km izao ve ka hamidiko indray?!!!!! ha ha ha.

ramose

blagy | 15 Martsa, 2006 22:54

indro misy blagy tany am-pianarana tany am-pita tany.

Asa ianareo raha efa sendra ireny mampianatra tia miteniteny foana manoloana ny mpampianatra ireny fa dia ny tenako aloha dia efa sendra.Izany hoe ny bandy aloha na ny marina kokoa ny lehilahy dia faly ery sendra azy ireny fa samy bandy moa fa ny sipa no miferin'aina.

    Dia tany am-pita tany hono,nisy mpampianatra iray tia miteniteny foana ireny.Leo anefa hono ny sipa satria dia tena mihoatra ny fefy mihitsy ingahy rainy indraindray ka dia tapa-kevitra ary ny sipa rehetra fa dia hivoaka ny efitrano fianarana raha vao manomboka miteniteny foana i ramose.

   Kanefa moa tahaka ny efa mahazatra na ny fantatry ny rehetra dia misy foana mpianatra tia misolelaka ary sipa matetika no mpanao izany.Dia nisolelaka tany amin-dramose ny iray tamin'ireo sipa ka nilaza mialoha fa hivoaka daholo ny sipa rehetra raha vao manomboka ramose.

   Ny ampitso aza dia efa niandry ny rehetra.Dia namorona blagy ary ramose.Ka hoy izy:Moa fantatrareo moa fa any paris any hono dia tsy ampy mihitsy ny makorelina ka dia asa na ahoana ny vahaolana hitanareo ry vehivavy isany?

   Dia Te hivoaka hono ny sipa ka nitsangana daholo fa romotra, nefa hoainina be satria raha vao hivoaka dia holazain'i ramose hoe:makorelina;

   Dia hoy hono i ramose:Aza maika ianao rasipa o! tsy misy fiaramanidina miainga any anie androany raha tsy rahariva e! :)))

blaondy

blagy | 15 Martsa, 2006 22:54

Araka ny fantasika dia maro ny tsy tia ireny blonde ireny any am-pita any.Ary ny teny ahalalana ny blonde dia noho izy ireny malaza ho vendrambendrana na bado.Dia ity aza misy tantara iray manamarina izany:

     Tanaty fiaramanidina iray ny tantara no nitranga:

              Nisy blonde iray hono tanaty fiaramanidina iray Vol Paris New York.Tany amin'ny 1er Classe hono rasipanefa ny billet novidiany dia 2e classe.Nahatsikaritra izany ary ity steward ka dia nilaza hoe :ramatoa kely,tsy eto no teorana tokony hisy anao satria 2e classe ny billet anananao.Tsy taitra anefa hono ity farany namaly hoe:Blonde aho,tsara tarehy ary handeha any New york.Dia tsy hitan'ity steward ary izay atao ka dia niantso olona hafa izy.Avy indray ary ity hotesse iray nihevitra fa satria moa samy vehivavy dia mety hifankahazo:kanefa dia valiny mora sy tsotra ihany koa ny azony:"Blonde aho,tsara tarehy ary handeha any New york".Dia avy ihany koa ity ny commandant de bord nefa inona fa dia ny valiny tsy miova no azony!

    dia nitantara ny zava-nisy tamin'ity co-pilote ary ny commandant de bord.Ka dia nitsangana ity farany sady nilaza hoe aoka hanaovako azy fa ny vadiko koa mba blonde.

   Gaga hono ny rehetra fa nibitsibitsika mora teo tamin'ity sipa ralehilahy ka dia nitsangana mora rasipa sady nanaiky tsy nihambahamba.Ka rehefa niverina tao amin'ny cockpit izy dia nilaza tsotra hoe:Hitanareo fa mora ange ny miresaka amin'ireny blonde ireny fa ianao manasaro-dravatra:Hoy aho taminy.

     -Diso toerana ianao ravehivavy satria ity premier classe ity anie ka tsy mandeha any New York e!Ny 2e Classe no mankany.:)))

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb